Karoty hoe ? Tsy zoviana amintsika intsony ity legioma miloko volomboasary ity. Atao lasary miaraka amin’ny voatabia na atao laoka miaraka amin’ny ovy; maro ny afaka hikarakaràna azy.

Fa anio dia entina amin’ny mpamaky ny tombontsoa vitsivitsy entin’ny karoty amin’ny fahasalamantsika.

Tsara ho an’ny maso

Mety efa fantatsika rehetra ity voka-tsoa voalohany ity, kanefa tsara ny mamerimberina hatrany. Ny karoty dia manan-karena vitamina A izay ilaina amin’ny fahitàn’ny maso, indrindra rehefa alina ny andro.

Ny karoty ihany koa dia mampihena ny mety hisehoan’ny katarakta na fahasimban’ny maso amin’ny olona iray. Ankoatr’izay dia manan-karena singa antsoina hoe “rhodopsine” izy. Io singa io dia mahatonga antsika hahita kokoa na tsy ampy aza ny tara-pahazavàn’ny jiro ampiasaina.

Tsara ho an’ny hoditra

Ny karoty dia manana betsaka ilay antsoina hoe “bêta-carotène”. Izy io dia mampiadana ny fahanteran’ny vatana noho izy ao anatin’ny sokajy “antioxydant”. Ankoatr’io dia manatsara ny hoditra ihany koa iry singa voalaza voalohany iry.

Noho ireo dia mahazo tombony kokoa ny mihinana karoty. Sady izy ihany koa manampy be amin’ny fikombonan’ny fery amin’ny vatana.

Tsara ho an’ny aty sy taolana

Anisan’ny mahasoa ny atin’ny olombelona ihany koa ny karoty. Mitondra siramamy natoraly ho an’ny taova izy ity ary ihany koa mamerina indray ny aty amin’ny fahasalamany.

Etsy ankilany dia mampahamafy ny taolana sy ny nify ny karoty noho ny fisian’ny vitamina A sy faosforo betsaka ao aminy.

Mampihena ny lanja

Legioma manankarena vitamina ny karoty ary izay indrindra no mahatonga azy hanampy amin’ny fampihenàna ny lanja. Manarak’izany dia ahitàna 33 kilokaloria monja ao anatin’ny 100 grama-na karoty. Tsara ho an’ny vatana tokoa izany.

Fiadiana amin’ny aretina

Ao anatin’ny vitamina maro sy ny “antioxydant” betsaka ananany no ahazoana voka-tsoa amin’ny karoty. Ny vitamina ao amin’ny dia mandray anjara amin’ny famokarana ny sela mena ao amin’ny vatana. Io sela io izay mitatitra oksizena ho an’ny sela rehetra amin’ny vatan’ny olona.

Ny “antioxydant” indray ihany koa dia mampihena ny kaolesteraoly ratsy (misy ny kaolesteraoly tsara) ao anaty ao. Izany dia miaro antsika amin’ny aretin’ny fo sy ny homamiadana sasany, ary miaro ny havokavoka.

Arak’izany rehetra izany, tsy vitsy ny voka-tsoa azo raha homana karoty matetika isika. Na atao ranony na atao lasary, na misy fomba hafa hikarakaràna azy dia soa no entiny… Ho tsara maso avokoa anie isika rehetra.