Mba hanantsarana sy hiarovana ny fahasalamanao, mihinàna voankazo dimy sy legioma isan’andro. Tsy tsara atao  be menaka sy sira ny sakafo (sakafo matavy sy salé). Tsy mifoka na misotro zava-mahadomelina izay mety mamotika tanteraka ny vatana. Ny olona tsirairay dia samy mahalala na mahafantatra fa ny fahasalamana no harena voalohany indrindra amin’ny olombelona. Ka raha misy izay tsy fahasalamana amin’ny olona, mba firy moa ny olona tsy mahatsapa an’ny maha zava-dehibe izany fahasalamana izany eo amin’ny olombelona? Ary tsy vitan’izany fotsiny aza, fa himatimatesana mihitsy izy io amin’ny fikarohana vahaolana hiadiana amin’izay aretina mahazo.

Ny karazana loko amin’ny sakafo rehetra izay misy otrik’aina ary azo antoka ny fahadiovany dia azo  hanina avokoa, fa ny toe-batan’ny tsirairay no mamaritra izay mety mifanaraka aminy. Raha ohatra ka voan’ny diabeta dia tsy tsara ny mihinana siramamy, izany hoe voafaritra ny sakafo izay mifanaraka amin’ny fahasalaman’ny vatana. Misy vitamina ohatra mifanaraka amin’ny toe-batan’ny tsirairay.

Tokony diovina tsara ny sakafo
Tokony diovina tsara ny sakafo – sarina karoty avy amin’i Free-Photos

Fa ho an’ny olona rehetra dia tokony ho vafantina tsara na voaomana tsara ny sakafo: izany hoe madio sy voakarakara tsara, ampy kalitao tsara, raha amin’ny sakafo mila andrahoina dia tokony ho masaka tsara, tsy miverimberina andrahoina, atao mafana tsara ny sakafo, voatokana ny ora isakafoanana fa tsy amin’ny fotoana izay mahamety azy…, mila ara-pahasalamana tsara  ny sakafo.

Tsy io amin’ny resaka sakafo io ihany no miantoka ny fahasalamana eo amin’ny tsirairay fa ny fomba fitondran-tena ara-batana ihany koa, dia mila manaraka izany fahadiovana izany avokoa, indrindra eo amin’ny tontolo iainana eo amin’ny andavan’andro sy ny manodidina, eo anivon’ny fiarahamonina.

Ny zavatra betsaka aliminioma  na «alumine»   dia tsy tokony ho hita mifanerasera amin ‘ny vatana. Ny tena izy dia metaly misy poizina izy ireny (misakana neurotoxika), izay tsy tokony ho hita ao amin’ny vatana mihitsy.  Fa ny vokatr’izany no mahatonga ny aretina Alzheimer. Io alimo io dia mety ho hita amin’ny alalan ‘ny « déodorants », « additifs alimentaires », « papier d’aluminium », « eau du robinet », « casseroles », ny fanafody sasany…

Raha araka ny tokony ho izy sy azo atao dia tsy tokony mampiasa ireo fanafody simika matetika ny olona fa misy fiantraikany amin’ny sela na « globule »  ao anatintsika ny fampiasana ireo fanafody simika ireo. Matetika ny ankamaroan’ny olona raha vao marary an-doha, tenda na hafa dia manana fahazarana mampiasa ireo vokatra simika. Ohatra amin’izany ny fahazarana fampiasàna ny doliprane. Hevitra tsy dia tsara izany fa tsy tokony hampiasaina matetika reny fanafody ireny fa tena manimba tanteraka ny fahasalamantsika.

Lohamenaka
Huile essentielle kiwi- Sary : Marina Pershina

Ary ny zavatra tsy fatatsika dia misy mamotika ny sela ao anatintsika izy ireny raha miasa matetika ao amin’ny vatantsika. Izany anefa tsy milaza fa tsy tokony hitsabo tena isika rehefa marary.  Misy anefa ny fomba tsotra nefa azo antoka fa tsy misy fiatraikany amin’ny fahasalaman’ny vatantsika izay mitondra fanasitranana. Izany dia ny fomba voajanahary ary tsy misy fiantraikany eo amin’ny fiainana andavanandro : misy ohatra ny « alcool », « tisane », ny « huiles essentielles » sy ny maro hafa.

Isika ihany koa mila manaraka ireto torohevitra manaraka ireto mba ho fiarovantsika ny fahasalamana izay efa ananana. Ho antsika indrindra izay tsy manao asa fa mijanona ao an-tokatrano lalandava, dia mila isika mba mampiasa vatana sy manatsara ny fitondrana ny tena: ho an’ny ara-batana mba hiadiana amin’ny matavy, aretina, sns. Izany anefa tsy midika hoe voatery hanao asa mafy isika, fa na dia mandeha mitsangatsangana eny rehetra eny, izay toerana tratran’ny masoandro eny aza dia efa zava-dehibe eo amin’ny fahasalaman’ny vatana izany. Ankoatr’izay moa raha afaka manao fanatanjahan-tena isika, izany tena manampy be antsika amin‘ny fikorianan’ny rà ao anitsika dia vao mainka tsara kokoa.

Fa tsy hadino ihany koa ny zavatra ilain’ny vatana toy vitamina C, D, A, sns, izay manampy ny efa misy ao aminy ka hanampy ny hery efa ao amintsika mba hanoherana ny « microbe » mahatonga ny aretina.

Koa izany fahasalamana izany dia natao ho an’ny olona rehetra ka samy tokony handray andraikitra amin’izany avokoa ny olona rehetra mba ho salama sy tomady eo amin’ny fiainana. Ao ihany koa ny mba ho afaka miatrika ny adidy sy ny andraikitra izay sahanin’ny tsirairay eto amin’ny tany sy ny firenena.

Sary : Ryan McGuire