Anisan’ny zavatra tena ilain’ny vatan’ny olombelona ny rano. Ilaina amin’ny fahavelomana sy ny maro samihafa izy. Ka raha sanatria tsy ampy rano ny vatana dia misy fambara sasany alefany mba hahafantarantsika izany.

Marary ny loha

Ny fahararian’ny loha dia anisan’ny fambara fa tsy ampy rano ny vatana. Rehefa maina mantsy ny andro sy tsy nisotro rano ny olona iray dia tonga ho azy ny aretin-doha.

Noho izany, misotro ary rano iray vera lehibe mba hampihenana ny aretina ao amin’ny loha.

Maina ny molotra

Mazava ho azy fa raha mangetaheta isika dia mila rano izay. Mitovy amin’izay ihany, raha toa ka maina ny molotra dia manambara izany fa tokony hisotro rano isika ary tsy ampy rano ny anton’ny fisian’izany.

Matroka ny valan-drano

Ny valan-dranon’ny vatana salama dia mazava ny lokony ary tsy dia ahenoana fofona. Raha mavomavo matroka izay ny valan-drano dia mampilaza ny vatana fa tsy ampy rano izy.

Mitohana

Raha tsy ampy rano ny vatana dia mety hitohana ny olona iray. Ny rano mantsy dia ilaina mba hampahalemy kokoa ny maloto mivoaka ny tsinay. Ka ny tsy fahampian-drano izany dia mahatonga fahamafisan’ny maloto.

Vahaolana ? Misotro rano matetika. Tsara ihany koa nefa ny manatona mpitsabo raha misy ahiana ny toe-pahasalamana.

Reraka

Raha mahatsapa reraka mandrakariva isika dia tokony hieritreritra sao tsy ampy rano. Mora reraka ny vatana rehefa tsy ampy singa tena ilainy toy ny rano.

Afaka mitondra rano amin’ny tavoahangy ianao raha mandeha lavitra ohatra, na amin’ny toerana tsy ahitana rano ihany koa.

Tratran’ny krampy

Ny krampy dia ny fikainkonan’ny hozatra amin’ny vatana izay tena maharary tokoa ndraindray. Mety ho tratran’izy io ny olona na rehefa manao fanantanjahan-tena, rehefa tsy manao inon’inona ny vatana, na rehefa matory aza.

Vao mainka hamafisin’ny tsy fahampian-drano ny rarin’ny vatana misy krampy. Raha mahazo io fikainkonana io matetika ianao dia misotroa rano aloha sy manditran’ny fanantanjahan-tena.

Fanina

Mihodina avokoa ny zava-drehetra, tsy tafatsangana tsara intsony ? Mety fanina izany ianao. Raha tratrany matetika kosa dia mety tsy ampy rano izay. Raha izany ary dia ataovy ampy tsara ny rano sotroina mba hialàn’izany fanina izany.

Lasa mora tezitra

Raha sanatria tsy ampy rano ny olona iray dia mety ho lasa mora tezitra ary miova ny toe-pony. Zava-dehibe izany ny fahampian-drano eo amin’ny saina sy ny fo.

Maina ny hoditra

Tsy hoe maina tsy nokasihan-drano ivelany akory ny tiana lazaina eto na koa hoe tsy nanasa tongotra. Fa raha tsy ampy rano ny any anaty dia hita taratra amin’ny toetry ny hoditra ety ivelany izany.

Ny hoditra salama tokoa mantsy dia tsy maina. Noho izany dia tokony hisotro rano matetika isika. Tsara ihany koa ny manatona derimataolaogy raha misy ahiana ny mikasika ny hoditra.

Tsy elastika ny hoditra

Manongoa hoditra amin’ny vatanao, na amin’ny tanana na fe dia mety avokoa. Raha mijanona eo ilay hoditra notsongoina fa tsy miverina amin’ny laoniny dia nihena izany ny maha elastika ny hoditra.

Izany dia manambara fa tsy ampy rano ianao ka mila misotro rano mba ho tomombana tsara ny fahasalamana.

Tsy tokony atao ambanin-javatra araka izany ny fisotroana rano. Mila tandremana ihany koa anefa sao be loatra ny rano sotroina ka ho lasa ivelan’ny vatana ny otrikaina sasany.