Zava-manan’aina eo anelanelan’ny 500.000 sy iray tapitrisa ao anatin’ireo 8 tapitrisa voaisa eto amin’ny planeta, no atahorana ho lany tamingana. – GIMMICK / SIPA

Pejy 1 800, mpitsabo 450 … Ity tatitra momba ny biodiversité ity dia mampanantena fa hampanaitra tokoa. Ny Alatsinainy teo, ireo manam-pahaizana ao amin’ny Firenena Mikambana momba ny zavamananaina dia mampiseho ny fanombanana iraisam-pirenena (lahatsoratra lava be) momba ny tontolo iainana. Io lahatsorata io dia tokony haneho ny filàna maika drafitra hamonjena ny natiora, tarihin’ny olombelona ho amin’ny fandravana kanefa ny natiora no mahavelona azy.

Herinandro iray taorian’ny fifampiraharahana tany Paris, ireo firenena miisa 132 mpikambana ao amin’ny “Plateforme intergouvernementale scientifique et politique sur la biodiversité et les services écosystémiques (IPBES)”dia nanaiky tamin’ny asabotsy teo ny fintina ara-politika ana tatitra iray, izay niasàn’ny manam-pahaizana nandritra ny telo taona. Ity “famintinana ho an’ny mpanapa-kevitra” ity, izay nodinihin’ny delegasionina isan’andalana ny soratra ao anatiny, dia havoaka ho hitan’ny besinimaro ny alatsinainy amin’ny iray ora atoandro. Tena mety hampiahiahy be izao izy io.

Efa betsaka ireo fongana

Araka ny voalazan’ny andiany voalohany amin’ilay tatitra izay voarain’ny AFP talohan’ny fanombohan’ny fifampiraharahana tany Paris, dia “ampahany betsaka amin’ny natiora no efa very, ary ny sisa tavela dia miharingana hatrany”. Ity tatitra ity dia manombatombana fa ny 75% -n’ny tontolo iainana eto an-tany sy ny 40% amin’ny tontolo iainana an-dranomasina no mampiseho “marika lehibe ana fahasimbana”. Vokatr’izay dia : Zava-manan’aina eo anelanelan’ny 500.000 sy iray tapitrisa ao anatin’ireo 8 tapitrisa voaisa eto amin’ny planeta, no atahorana ho lany tamingana.

Izany vokatra izany dia mifanaraka amin’izay nofaritan’ny mpahay siansa efa an-taonany maro izay milaza ny : ny fiandohan’ny “fahapotehina faobe” fahenina. Na dia tsy voalaza ao anatin’ny tetikasa famintinana ilay tatitra aza ity fahapotehina voalohany hatramin’ny nahatongavan’ireo lehilahy teto an-tany ity. Fa ny fahasimban’ny tontolo voajanahary koa dia misy fiantraikany ratsy amin’ny karazana zavamananaina tompon’andraikitra amin’izany izay tsy iza fa: ny olona.
Hoy i Yunne-Jai Shine, iray amin’ireo mpanoratra ny tatitra, “Ny zavamanan’aina isan-karazany dia tsy hoe tsara tarehy fotsiny, fa zavaboahary ilain’ny fiarahamonin’ny olombelona koa izany. Toy ny hoe : mila rano isika mba ho velona, mila rivotra madio, sakafo, mila toetr’andro voarindra”.

Tokony hiova fomba fiainana

Ny rano, ny sakafo, ny angovo, ny fanafody … Ny olombelona dia tsy afaka miaina raha tsy misy ny asa omen’izany natiora izany. Kanefa ny olona dia manohy sy mikendry ny handrava, amin’ny alàlan’ny fambolena mafonja, ny fandripahana ala na ny fandotoana isan-karazany. Noho izany, ny mpiaro ny tontolo iainana dia manambara ny heviny fa manaiky ny fanavaozana maika sy ifotony ny fomba fiainantsika, ny famokarana, ny fanjifàna, mba hanakanana ny fahaverezan’ny harena voajanahary amin’ny planeta izay mety hisy olona miisa 10 lavitrisa amin’ny taona 2050.

“Tsy vitan’ny hoe manova ny famokarana ara-pambolena fotsiny isika, fa tsy maintsy manova ny fanjifàna ihany koa” hoy Paul Letley andro vitsy lasa izay, mpanoratra hafa an’ilay tatitra. “Ny sakafo voalanjalanja tsara dia tsara ho an’ny fahasalamana ary koa ny tsara ho an’ny planeta, raha mihena kely kokoa ny fihinanantsika hena mena ohatra , dia mampihena ny “effet de serre” izany(…) Ary izany dia manome toerana bebe kokoa ho an’ny tontolo iainana voajanahary” hoy izy nanampy.
Ilay tatitra ihany koa dia tokony ho hanisy fifandraisana mazava eo amin’ny harena voajanahary sy ny toetr’andro, raha fantatra fa ny fiovaovan’ny toetr’andro no iray amin’ireo antony lehibe misy fiantraikany ratsy amin’ny natiora ary ny ny vahaolana tokony hapetraka mba hitahirizana ireo roa ireo dia mizara ho roa.

“Tanjona goavana” tokony ho tratra

Ireo vahaolana izay horesahina amin’ny antsipiriany amin’ny taona manaraka any Sina amin’ny fivoriana faha-15 an’ny Fifanarahan’ny Firenena Mikambana momba ny fahasamihafana ara biolojika (COP15) izay hantenain’ny mpiaro ny toetr’andro hisy valiny miavaka, toy ilay COP21. Ity farany moa no nanome ny fifanarahana tao Paris ny taona 2015.
Hoy i Robert Watson, filohan’ny IPBES: “Ity volana Aprily 2019 ity dia mety manamarika ny fanombohan’ny ” fihodinana parisianina” mitovitovy amin’izay efa nisy ho an’ny harena voajanahary sy ny fanomezan’ny natiora ho an’ny olona”.
Saingy raha tsy misy tanjona mazava toy ny famerana ny fiakaran’ny hafanana mankany ho + 1,5 ° C na 2 ° C, dia mety ho sarotra kokoa ny hanamarika ny sain’ny olona sy mitarika azy ho mpikambana amin’ny firehan-kevitra.

Na izany aza, “raha te hanana planeta maharitra isika alohan’ny taona 2050 – izay izany tokoa no ilaintsika – dia ilaintsika ny mba mametraka tanjona goavana ho amin’ny taona 2030,” milaza Rebecca Shaw, lehiben’ny mpahay siansa an’ny WWF sady nanonona ny faniriana lehibe hoe ny 50%-ny tany dia ho tantanina amin’ny fomba maharitra mandrapahatongan’ny taona 2030.